4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valio re aho - Mahaleo

Mandongilongy tsy mety hisinda

Zary midongy sy mivindavinda ireo maraina

Saraka olontiana

Toa rano mitatao nanamaloka Ankaratra

Mbola mitraho mihombo oram-baratra ny toe-andro

Ao am-po mangina



Valio anie aho valio anie aho

Moa manina ianao indraindray

Valio anie aho valio anie aho

Sa efa sondriana satria tsy matsiahy



Ny voary manerana manda ny hitraka

Toa miantso fitserana fa  mila ho tsy zaka ireo andro fahatsiarovana

Tsy tiana antsoina tsy sangy ialofana

Fa fo sendra voina tsy ainy rakofana ny fanahy no zary torovana



Valio anie aho valio anie aho

Moa manina ianao indraindray

Valio anie aho valio anie aho

Sa efa sondriana satria tsy matsiahy



Nanangana Avana ireo lanitra manga

nihira fitiavana fa manangasanga ny hoavy

ilay olon-tiana

ny voary nifoha tsy toy ny omaly

fa tonga tokoa ilay mpamalifaly

ireo voronkely mila fitiavana



fa tonga ianao fa tonga ianao

tsy niova filana

fa tonga ianao fa tonga ianao

ny lanitra manga ny fo ravoravo

Partager valio re aho

Commenter valio re aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite