4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valin-kafatra - LUDGER Andrianjaka





Io ’lay vorona mivimbina ny hafatra ho anay

Tonga soa ny hafatra koa dia voaray

Any am-pitan-drano mantsy no misy azy ireo

Ny endriny miafina fa heno kosa ny feo



Vorona ô, nahita ireo havan-tsy foy

Hody ianao ka dia mba kalokaloy

Raha misento hono hoe ny any,

Ny aty mitomany

Mbola hihaona any indray andro any



Izy vitsika momba kitay

Lasa lavitra avy eto aminay

Izahay nilaozan-tsakaiza

Te handeha nefa tsy afa-mankaiza



Izy mipitrapitra irery

Toa mihevitra tena ho irery

Izahay maniry ny ho any

Nefa lavitra loatra ny tany



Vorona ô nahita ireo havan-tsy foy

Hody ianao ka dia mba kalokaloy

Raha misento hono hoe ny any,

Ny aty mitomany

Mbola hihaona any indray andro any.



Ludger - Jeanne NaIy

Partager valin-kafatra

Commenter valin-kafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka