4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valim-babena - Mahaleo

Avia, Neny tiako eto am-pofoako
Eto an-tsandriko ankavia
Mba ho akaikin' ny foko
Etsy ho esoriko ireo volofotsy
Hotantaraiko angano ianao
Sady hoarahiko rotsirotsy.

Ny adidy efa nefa mbola tianao ho tohizana
Tsy mahalala hasasarana
Tsy mahatsiaro vizana
Mikisakisaka hita ho torovana
Aok'izay, f'ianao ilay niaro indray
No mba mila fiarovana.

Avia, Neny tiako fa aza miahiahy
Ny ataoko anie
Taratra ny vitanao hatrizay
Etsy ho tantanako fa efa lanaka
Ny aina no matezà
F'ifampitaiza isika mianaka.

Partager valim-babena

Commenter valim-babena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite