4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aleo faranana - TSINJO

1-Ny androm-piainako teo anilanao
Fangirifiriana eh!, sy ny jaly no niaretako
Tsisy hafaliana eh, tomany foana
Tsy nahita ny masoandro nihiratra eh!


Ref-Adin-tsaina foana mameno ny fiainako
Mila ho isan'andro tsy misy hitarainako
Tsy tantiko eh, na dia tia anao aza aho
Koa dia aleoko, ho faranana
F'hitady hafa aho, hiadanana
Izay ho solonao, vaovao

Fa tiako loatra ianao
Fa saro tiavina
Omenao ny hafa koa, ilay fitiavana

Fa na afenina aza, hitako foana eh!
Na velona aza ianao, aleo aho hisaona eh!
Koa dia aleoko ho faranana
F'hitady hafa aho, hiadanana


2- Ny fandeferana misy fetrany ihany
Tsy ho mandrakizay raha ny ahy manokana
Nofo aman-dra aho, mahatsiaro marary
Na ianao aza, tsy hahatanty izany

Partager aleo faranana

Commenter aleo faranana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TSINJO