4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nahandro gasy - Tsiakoraka

Eto no hotelintsika anolorana anao fikafika

Momba ny nahandro gasy

Mandrosoa fa aza mihafihafy

Eto no hotelintsika anolorana anao fikafika

Hataovy ny safidinao amin'izao fahalalahana izao (Refrain)



Indro haroso mialoha

Ody ambava-fo

Ny sakafo tsy azo ariana

Ny foko sy ny fiaviana

Saosy saosy na ekipakipa

Laroana amin'ny akolita

Tsy maninona na tsy milay

Fa ireny no avy any aminay

Ny resaka sy ny kabary

No hatao ho solon'ny vary

Fitombon'ny harin-karena

No hatao solon'ny hena

Mangala demokrasia

Hataovy amin'ny sisin-dovia

Somary tampohy fahantrana

Dia tonga dia hano mafana

Loto mameno ny lalana

Tsolotra eran'y tanana

Ady seza no solon-tsakay

Efa nalona hatrizay

Laingalainga indroan'ny sotro

No hataovy amin'ny rano fisotro

Risoriso efa dimy kilao

No episy na sakamalao

Tandremo ny akoho fataka

Maneno mba hahazo laka

Raha ny toky izay efa nomena

Efa nampanan-karena

Anjely tokoa raha miteny

Nefa aza mirona amin'ireny

Be resaka nefa malany

Maimbo mandoto vilany

Ny fiainana miova isan'andro

Manaraka koa ny nahandro

Tafiditra anaty menu filalaovana PMU

Manentohento avokoa seloto machine à sou

Hiadiana amin'ny fiaianana lafo

Loka no tsindrin-tsakafo

Manao ahoana ary izao ny sakafo

Mahalana no misakafo

Ny sasany rehefa mifaly

Tena ratsy sy ompa no kaly

Tsy mihinana koa amin'ny alina

Ndrao bedin'ny Banque mondiale

Matetika loatra ny mihafy

Dia mirona amin'ny nahandro gasy

Ny sakafo tsy azo handeferana

Hitanao ary ity izao ny toerana

Raha mandalo dia mba mandrosoa

Fa tena ho voky tokoa

Ho tolorana nahandro gasy

Mandrosoa fa aza mihafihafy

Ho tolorana nahandro gasy

Mandrosoa fa tsy mialon-jafy

Partager nahandro gasy

Commenter nahandro gasy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tsiakoraka