4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy anio - TOUCKY

          

1/Tsy anio ihany

no iainanao,

k’aza mitomany toy izao;

Resy ianao androany

nefa tadidio

fa ny ampitsonao no ifalio



2/Tsy irery ianao

amin’izao tontolo izao

k’aza kivy na mamoy fo,

tsarovy fa ny eto an-tany

dia fandalovana

fa ny hiafarana itovizana



Ref: Mbola; hamiratr’indray

       ‘lay masoandronao

aorian’izay rahon’izay

ary, hody fifaliana

ny fahoriana sy ny fijaliana

hanananao



3/Aok’ho fantatrao

f’izao fiainan’izao

no hitsrana anao amin’ny farany

ka raha solafaka

toa tsy ho tafarina

raiso ho filamatrao izao hira izao



TOUCKY

Partager tsy anio

Commenter tsy anio

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOUCKY