4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny any ivelany any - TOUCKY

Ny andro rehetra,iainanay ety

apetrakay am-pelatananao

Mba tsy hivoana, na koa hania

ambeno tsy hihoatra ny valanao



Fa ny any ivelany any

toloko sy tomany

no mameno ny fiainany;

Fa mamy tena mamy

eny, mbola hafa ihany

ny eo ambany fiarovanao

ry Tompo tsy mandao.



Ny fitiavanao, tsy misy fetra

No andraindrainay,

hitantana ny dia;

ary Ianao anie,

no aoka hampitoetra

ao am-ponay

ny fitiavanao anay satria:



Ny any ivelany any

toloko sy tomany

no mameno ny androm-piainany

ka avelao ihany

ho eo anilanao hatrany

r’ilay antoky ny ho fiainanay

Mandrakizay

Partager ny any ivelany any

Commenter ny any ivelany any

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOUCKY