4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho sambatra - TOUCKY

1/Ny ho eo anilanao tokoa

  no mety hahasambatra ahy

  ka satriko,eny satriko

  hiara-dalana aminao

  ka ny amiko rehetra dia

  ataoko fantatrao

  tsy misy tsiambaratelo

  tsy ho lazaiko izao



Sambatra aho fa miarak’aminao,

tretrika aho fa manana anao

rehefa tia e!

tena tia e! tia tokoa ianao

dia mahafoy izay sarobidy

indrindra aminao.



2/Ny voady izay nekeko

  tsy mba hiverenako

  fa mandra-maty tsy miova

  tsy mba mora lo;

  fa antenaiko lalandava

  ary inoako,

  f’isika izao, isika izao dia

  tena ho iray tokoa.



Lafatra ny androm-piainako

Raha ianao no ato anatiko

Tsy mety maty,

tsy mba maty;

tsy miova koa

fa vita fato-maty

n’inon’inona manjo.



            TOUCKY

Partager ho sambatra

Commenter ho sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOUCKY