4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isaky ny... - Tity

Isaky ny malahelo aho,

toa manjombon-dava.

Isaky ny mamelovelo aho,

toa mila tsy hisava.



Fa tsy haiko intsony

ny omaly sy anio,

zay rivotra hitondra tadio,

toa mamanala,

mamirifiry ny androko anio.



Isaky ny mandondona aho

mila toa tsy hovohaina.

Isaky ny mba mifona aho,

toa ts’isy famelana.



Ka tsy haiko intsony

ny omaly sy anio,

zay rivotra hitondra tadio,

fa mamanala mamirifiry ny androko anio.



Fa ela kosa moa aho,

no niangavy nitalaho,

ny ho anilanao foana

hatram’izay ka hatramin’izao

Partager isaky ny...

Commenter isaky ny...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tity