4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofy - Thierry RAHARISOA

Ny alina izy tsy mba matory

Mamolavola nofy mandravaka ny akany

Varavarankeliny avelany hivoha

Sao mba misy namana hamangivangy anazy



Ny maraina izy, mitsiky voninkazo

Lolo sy angidina no eo an-tokotany

Ny alahelony tsy avelany hivoaka

Fa sao misy mahalala ny tsiambaratelony



Aiza ianao ry tiako, nahoana ny fitiavako irery no avelanao

Aiza ianao ry tiako, mangina ny ora raha tsy eo anilanao



Rehefa lohataona ny mahasambatra azy

Manaraka iny renirano iny

Ny eritreriny avelany handeha

Miaraka amin'ny vorona eny ambony eny



Ny alina izy mbola tsy matory

Milalao ny nofiny handravaka ny akany

Varavarankeliny avelany hivoha

Hitondrako azy hitety habakabaka iny



Aiza ianao ry tiako, nahoana ny fitiavako irery no avelanao

Aiza ianao ry tiako, mangina ny ora raha tsy eo anilanao





Tonony : Arison JAHA

Feony : Thierry RAHARISOA sy Milon KAZAR

Partager nofy

Commenter nofy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Thierry RAHARISOA