4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy toa anao - Ny Ainga

Ny andro iray tsy maha eto anao;

Mahatonga ahy hihira

Fa iza moa no hoe toa anao

Raha mbola olon-tiana

Ny tantaram-piainako samy irery

Sy ny vavam-bahoaka tsy miery

Fa dia indro ianao ry Tiana

Tena tsapako ny fonao

Fiverenana: Tsy misy toa anao tsy misy toa anao

            Tsy misy toa anao fa ianao ianao irery

            Tsy misy toa anao raha mbola fitia ê!

            Fa zovy n’izan’iza tsy mahavita ê!

            Tsy mahavita toy nyn ataonao



Ny foko rehefa nahazo anao

Tsy mila olon-kafa

Ny rehetrarehetra izay nataonao

Am-poko tsy voafafa

Fa mba zovy no mahavita toy ireny

Tsy holazaiko fa aoka ho ahy samy irery

Iza moa no hantenaiko

Amin’izay rehetra mitia?



Ny Ainga

Partager tsy misy toa anao

Commenter tsy misy toa anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite