4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy miraharaha - Mahaleo

TSY MIRAHARAHA



Tanety dorana, tsy miraharaha

Arehitra ny ala, tsy miraharaha

May ny tanindrazana, tsisy miraharaha

Ny hoavin’ny taranaka,  tsy miraharaha

O ry aba, o ry endry

Ny hamono antsika ange tsy mba basy velively

O ry aba, o ry endry

Tsy mahatsiaro tena isika, mihamaty tsikelikely



Risoriso manjaka, tsy miraharaha

Izay osa voadaka, tsy miraharaha

Ny efa matanjaka, tsy miraharaha

Sondriana mitrandraka, tsy miraharaha

O ry aba, o ry endry

Safiran’Ilakaka tsy hita velively

O ry aba, o ry endry

Saingy afa-drakotra izao ny tantely

O ry aba, o ry endry

Ny harena an-kibon’ny tany tsisy mitsisy velively

O ry aba, o ry endry

Ny taranatsika re mba amelao kely



Ny fiarahamonina, tsy miraharaha

Aleony mionona, tsy miraharaha

Lasa fomba fanao ny tsy miraharaha

Isika Malagasy lasa tsy miraharaha

O ry aba, o ry endry

Tena loza ity isika Malagasy anie ho very

O ry aba, o ry endry

Vola indray izao no solon’ny fanjakana manan-kery

O ry aba, o ry endry

Tena loza ity isika Malagasy anie ho very

O ry aba, o ry endry

Ny vola indray izao no solon’ny raiamandreny to teny



O ry aba, o ry endry

Soa ihany fa mbola misy anareo miraharaha

O ry aba, o ry endry

Soa ihany fa mbola misy zanakareo miraharaha










Partager tsy miraharaha

Commenter tsy miraharaha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite