4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Taxi-brousse - Mahaleo

Ianao avy any Atsimo
Handeha hianavatra
Ny fonao tsy manadino
Hamangy ireo havana
Soa fa misy fiara e
Mitety an' i Madagasikara
Ireo taxi-brosy
Mapifandray ny mpianakavy.

Ianao avy any Avatra
Handeha hianatsimo
Hamangy malala
Any Ambanivolo
Soa fa misy fiara "e
Mitety an' i Magadasikara
Ireo taxi-brosy
Mampifandray ny mpifankatia

I Magadasikara
Tany midadasika
Mifanalavitra be ny toerana
Ny fitaterana mbola sarotra
Ny lalana tsy maharaka
Ilana fanamboarana
Ilana fanitarana
Raha tsy izany ny fifandraisana
Manjary fifandrafesana
Eny e

Ianao avy any Andrefana
Handeha hiantsinanana
Mitondra voan-dalana
Dia ny fitiava-namana
Soa fa misy fiara e
Mitety an' i Madagasikara
Ireo taxi-brosy
Mampifandray ireo izay miara-dia

Ianareo avy Atsinanana
Handeha hiankandrefana
Hila ravinahitra
Any amin' ny tany tsy mbola fantatra
Soa fa misy fiara e
Mitety an' i Madagasikara
Ireo taxi-brosy
Mampifandray ny fomban-tany

Ny mponin' i Gasikara
Maro karazana
Samy hafa ny fihaviana
Samy nandeha lakana
Nanjary tafahoana
Iray fonenana
Iray tanindrazana
Ny ranomasina manodidina
Vao mainka nampitambatra
Eny e

Na dia mbola tsy ampy
Ny lalana mampitohy
Izay mampifandray
Antsika Malagasy
Soa fa misy fiara e
Mitety an' i Madagasikara
Ireo Taxi-brosy
Mitondra olona
Tsy mialon-jafy
Mampifandray ny nosy.

Partager taxi-brousse

Commenter taxi-brousse

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite