4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tapa-kevitra - Nono Robel

Tapa-kevitra aho tapa-kevitra aho hamoy mandrakizay

ny fiarahantsika ,ny fitiavantsika ka hiova hafa indray

nohararaotinao, nohararaotinao ny fahatsoram-poko

dia ninianao dia ninianao nitia an-tsokosoko.





Tsapanao mantsy ,tsapanao mantsy  fa tena potika aho

tsy nohenoinao tsy nohenoinao raha mbà nitalaho

betsaka loatra  betsaka loatra ny mafy nozakaiko

efa saika niala  efa saika niàla hatramin’ny aiko



-Tsy tantiko intsony  tsy tantiko ny mijaly  aminao

tapa-kevitra aho

koa masina ianao aza malahelo raha tojo izay iriana

tapa-kevitra aho

veloma akia  veloma hoy aho izao  no efa anjara

ny lasantsika ny momba antsika hipetraka ho tantara( 2 fois)





veloma hoy aho

veloma

tsy hitako intsony

aoka izay

veloma aa

aha!

Partager tapa-kevitra

Commenter tapa-kevitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nono Robel