4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tao antsekoly - Mahaleo

Ao an-tsekoly, 'zaho ro Gisitra,
Matetika faran'ny lisitra,
Faniriako anefa, ny ho lasa Minisitra;
Ka i Bado sy Dondrona ro ataoko Direkitera,
'KalaSoa, Sekretera Paritikiliera,
Ireo Mahay, raha azoko, ataoko Saofera;
Fa i Koto, Letinako fahiny,
Mahazo ny toerana iriny,
Ho tretrika sy faly,
Fa Sekretera Jeneraly;
Mitsangana ary 'ty Minisitera,
Mitsinjarazara ho Vaomiera,
Hanatontosa, ny Hafokana lany Era!
Ireo Tary somary Manky Visy,
Hataoko Sefo Serivisy,
Handinika, ny Hadalana rehetra misy;
Vaomieran'ny Enti-mody tsy vita,
Vaomieran'ny Fitaovana tsy hita;
Vaomieran'ny Habadoana,
Vaomieran'ny Hakamoana.
Ireo Mpampianatra nanambanimbany,
Ny Tale, anisan'izany,
Hampamafako, Ampamafako tokontany;
Ireo kosa,
Nanao izay hahakanosa,
Eny anjoron-trano, Mandohalika! Hanala trosa;
Fa ny anay ts'isy azo rarana,
Fifohan-tSigara, fisotroa-Mafana,
Fa Fakan-drivotra lava,
Rehef'avy eo samy mibaraka, dia samy mirava;

Ireo Vehivavy 'zay namingavinga,
Niseho ho tsara, niseho ho kinga,
Ampiriatiko, ts'ary avelako rah' tsy mandringa;

Ireo Lehilahy tsy resiko, fa mafy be,
Tsara bika, manan-tsaina, tsara tareh'
Rah' vao mitrena, .

Fa ny Minisiterako, dia Sekoly Tsy Miangatra,
Fa ny Ambony Haforitra, ny Ambany Hasandratra,
Ao Amiko no TENA HITRANGA,
'Ty dradradradraina hoe FITOVIAN-TSARANGA!

Partager tao antsekoly

Commenter tao antsekoly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite