4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Taniko - Erick Manana

Ny angolam-peon’i RANDAFISON anie

Ka miaka-sy midina

Tsy azo henoina andro harivariva re

ny fanahy no manidina



Tsara e, tsara ny hiran’ny taniko

Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakaloko

Tsara e tsara ny hiran’ny taniko o

Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakalo o



Io mba ahy o io mba ahy o io mba ahy o

Ka lolohaviko an-tampon’ny lohako e

Io mba ahy o, io mba ahy o, io mba ahy

Tsy ho avelako ho faty fa lovako e



Ny feom-balihan’i Rakotozafy anie

Tena mampiaiky volana e

Manakoako eran-tany eran-danitra e

Izay mandre azy torana e



(Miverina in-2)

Tsara e, tsara ny hiran’ny taniko

Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakaloko

Tsara e tsara ny hiran’ny taniko o

Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakalo o



Io mba ahy o io mba ahy o io mba ahy o

Ka lolohaviko an-tampon’ny lohako e

Io mba ahy o, io mba ahy o, io mba ahy

Tsy ho avelako ho faty fa lovako e



Erick Manana

Partager taniko

Commenter taniko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite