4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tanety - Mahaleo

Tanety mitomandavana
Mampivezivezy fisainana
Lalan-kely misampatsampana
Mampisampana fiheverana

Fitadiavana mahazaka maniraka
Mampandeha lavitra, mampiparitaka
Fitadiavana mahazaka maniraka
Mahatafahoatra ny morontsiraka

Tanety mitomandavana
Feno lavaka lalina
Lalan-kely mitety hantsana
Miolakolaka mahafanina

Fitadiavana mila fandinihana
Tsy avy hatrany dia mankany ambony rihana
Fitadiavana mila fandinihana
Manaraka zana-tohatra ianihana

Tanety mitomandavana
Sy tendrombohitra mijoalajoala
Lala-kely izay andehanana
Mamakivaky ala

Fitadiavana mila faharetana
Tsy anki-taraina tana-miepaka
Fitadiavana mila faharetana
Tsy ilaozana havesatra entana

Tsetsatsetsa tsy aritra iny ny ahy, izao lazaiko izao
Tsetsatsetsa tsy aritra iny ny ahy, ambarako aminao
Fa mahavery finoana, ity fitotototoana
Avy etsy avy eroa, nefa tsy ahitam-boka-tsoa

Tsetsatsetsa tsy aritra iny ny ahy, izao lazaiko izao
Tsetsatsetsa tsy aritra iny ny ahy, ambarako aminao
Fa ny mamelon-tena, ekena fa tsy mba terena
Fa ny eta-bataina no efa tsy eran'ny aina

Ny entana zaraina hono mora zaka ihany
Ny entana zaraina hono tsy mavesatra izany
Atao fomba mahazatra, fa tsy ho vaky tratra
Ny fiaraha-mibata ny enta-tsy zaka

Mpirahalahy mian'ala hono tsy mba mifanary izany
Mpirahalahy mian'ala hono mifanavotra hatrany
Fa ny fitiavan-tena , ekena fa saro-dresena
Fa ny fifanampiana no hamafisina ataontsika dina

Partager tanety

Commenter tanety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite