4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tanan'i mama - Mahaleo

Jereo ny tanan'ny mama
Tsy sasatra mikarama
Hameloman-janaka
Jereo fa tsy mety lanaka
Manao izao sy izao
Mba hamalifaliana anao
Jereo ireny tanana ireny
Na dia tsy malemilemy
Toa manan-javatra miery
Jereo fa mirehitra hery
Mampitony izay manjo
Jereo fa tanana fo
Lasa, lasa nilefa vetivety
Izay zavatra tsy nety
lasa, lasa nisinda avokoa
Izay mety ho aretin'andoha
Raha ny tanan'i neny
No eny an-kandrinao eny
Jereo ny tanan'ny mama
Fa tsy mba mitamatama
Mandray ity manao iry
Misahan'asa firy firy
Tsy manam-pitsaharana
Tsy mahatsiaro hasasarana
Jereo ireny tanana ireny
Mahalala izay omeny
Dia ny soa sy ny tsara
Ary tsy misy diso anjara
Fa na kapoka aza
Samy mahazo izay sahaza
Asa, asa tsy vitan'olon-dray
No iaretany fery
Asa, asa mapitotototo
Nefa ny tanana tsy mety donto
Satria ho an-janany
Ka foiny ny tanany
Ireny no nanoto sy namitra
Ary fanafodin-ditra
Mitory fahendrena
Tsy mety ho resim-pahalemena
Mahavita hatrany ny adidy
Tanana tsy voavidy
Lasa, lasa nilefa vetivety
Izay zavatra tsy nety
Lasa, lasa nisinda avokoa
Izay mety ho aretin'an-doha
Fa vidiana lafo
Ny tanan-dreny manafosafo

Partager tanan'i mama

Commenter tanan'i mama

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite