4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tanalahy - Mahaleo

Izay mena valala
Izay tiana malala
Nefa ianao raha te-hiala
Dia aza misalasala
       Hatrizay ianao
       No tompon'ny safidy
       Izay tianao no natao
       Dia anao ny didy

Nefa tanalahy ny foko, hahay hiova loko (in-2)

Raha ny tany malemy
Azo anorenam-pangady
Feno eny rehetra eny
F'izaho no tsy te-hitady
       Nefa raha tianao izany
       Dia sahiko ny milaza
       F'izao dia izao ihany aho
       Dia hahita sahaza

Satria tanalahy ny foko, hahay miova loko (in-2)

Tsy ny masoandro matory
No hahafoana ny taratra
Ny volana koa anie boribory
Mirehitra fatratra
       Efa sitrakao ny handeha
       Soava dia, mahereza
       Ny tia ahy be dia be
       Be ny mpitady seza

Satria tanalahy ny foko, hahay hiova loko (in-2)

Nefa aza manantena
F'izaho no hitomany
Na hiantso hoe:"miverena"
Nofinofy izany
       Fa fanajana anao
       No nampipetraka ahy
       Ianao indray no te-handao
       OAY, soa ihany lahy

Tretreka, tretrika ny foko, hahay hiova loko (in-2)

Partager tanalahy

Commenter tanalahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite