4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tamin'iny lalana iny - NARY ARTHUR



Tamin’iny lalàna iny teny an-tanan’olon-kafa ianao no tazako

Saika hiantso aho, hanonona ny anaranao ny vavako

Nefa tampoka, ny molotro hisokatra noferako

Ka nijanona aho, navadiko im-pito aloha ny lelako



Fa raha iny aho no avy dia nanatona eo anilanao

Nanahoana moa no tokotokony ho fihetsikao

Fa raha iny moa no natsofoko amy tananao ny tanako

Satria ianao efa nanaiky ny hiara-dalàna amiko



Malalako taloha no ilazako anao

Ho namako indray ianao manomboka izao anio izao



Tamin’iny lalàna iny teny an-tanan’olon-kafa ianao no tazako

Saika hiantso aho, hanonona ny anaranao ny vavako

Nefa tampoka, ny molotro hisokatra noferako

Ka nijanona aho, navadiko im-pito aloha ny lelako (3)

Partager tamin'iny lalana iny

Commenter tamin'iny lalana iny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NARY ARTHUR