4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tafita - Belahy

Tadidiko ny taloha tamin’izahay roa ni-rendez-vous

Isaky ny alahady dia mibalady any Ambohitsoa

Taloha izy dia sôlafa fony izahay nifampisipa

Ankehitriny efa lasalasa manao fiainana avy any am-pita

Eeeeiiiiaa !!!



Maraina izy raha mivoaka mandeha Peugeot 505

Ireo akama mahita an’azy mangata-maso miraikaraika

Nihodina vetivety iny indray Mercedes

Ny hariva dia tsy manaiky fa miova vam R25

Eeeeeiiia!!



Raha izy no miantsena miresaresa ilay Peugeot

Voatety ry Market, Géant Score ry Champion

Aty ary tsy olana ny lasantsy

Aty ary, fa inona ny tsy mba ampy ?

Ananany trano vato sy vola be teny amin’ny banky

Ny azy efa kilalao ny mirozirozy makany an-dafy

Indrindra fa taom-baovao dia lasa lavitra raha mivoaka

Telo taona mifanesy izy vao miainga dia any Europe



Solafa voairakiraka ankehitriny mamirapiratra

Solafa voalatsalatsa ankehitriny efa lasa pata

Solafa nahazo daba bonne chance ary mankalaza

Solafa mahitahita omeo rombo izy fa tafita





Fiainany tato ho ato mirozy mandany lera

Mivoaka mipozipozy tsy misy quoi fa  célibataire a !

Nandrasoako hatramin’ny ela raha misy ny affaire affaire a !

Mirady direktera, irakiraka na chauffeur a !



Nalefako ny demande, nandamoka ary nampamangy

Ny akamako no tafiditra irakiraka sady gird a !



Nanafatra ilay akama tena fax ny karama

Jerena milamindamina fa isan’andro manasa vam







Indray asabotsy dia nitapò tao anaty boîte

Rasipa mandinindinika mbola izaho efa katrikatry

Notolorany whisky avy hatrany dia merci

Notsokazany Boston saingisaingy fa tena bonne

Narahiny tsikitsiky tena tara aho fa indrisy

Tsy tantiko ny hafaliako ka dia nanantona sy niera

Handao aky rasipa handao hifandokombera

Chérie ! chérie ! atero aky chérie

Chérie ! chérie ! atero any Ambanidia

Partager tafita

Commenter tafita

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Belahy