4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tadidio - Rojo(pazzapa)

Tadidio



Raha toa hoe tianao aho

Ny ahy anefa kilalao

Tsy maintsy ataonao toa

’Zay faniriako ahafa-po izao

Tsy mila talaho fa ’zay sitra-poko atao

Raha tsy vitainao tsara

Dia hilaozako eo ianao



             Tadidio fa tsy tody no misy

             Fa ny atao no mitamberina eo

             Ny anio hiantsona tsy misy

             Tadidio ny valin’ny natao



Fa nobaboinao izy

Ka nanao ’zay sitrakao

Dia nekeny avokoa, nanaranam-po

N’inona hanjo fa tia tokoa

Ka tsy mba am-bozizy

Fa safidy tsotra izao

Tsy anjara ireo efa tsy ho anao



                                          ROJO[PZZP]

Partager tadidio

Commenter tadidio

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rojo(pazzapa)