4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mariazy - SITRAKA

Oh...

Fifandeferana sy fiheverena

No toetra tsy maintsy takiana

Raha te haharitra sy ho finaritra

Ny fianam-panambadiana

Tsy natao hiady rehefa mpivady

Fa natao hifampizara fitia

Iray ny safidy na mamy na mangidy

No lova mateza ho doria



Izao andro vitsy izao

Na koa hoe taona iray

Tao ireo dimy na dimampolo taona

Tsy ritra ilay fitia

Tsy misy iray mania

F’indreny miaraka foana

Tanora  dia teny

Mandran-kantitra indreny

Fa natao hifampizara fitia

Dia Iray ny safidy na mamy na mangidy

Tsy miova mateza ho doria



Mpivady mitambatra

Mahatsiaro fa sambatra

Miray fo sy fanahy

Dia ho tokantrano voatahy



Mpivady mitambatra

Mahatsiaro fa sambatra

Miray fo sy fanahy

Dia ho tokantrano voatahy



Raha tsy maharitra dia ho any andanitra

Hanana fiainana tsisy fetra

Mandresy izy ireo ka tapitra hatreo

Ny adim-piainana sy ny setrasetra

Hiaraka foana tsy misy hoe nahoana

Satria ny fitia mateza ho doria

Tsy nofinofy intsony ilay lanitra ao ambony

Fa ao indray no hanoy hiara-dia



Mpivady mitambatra

Mahatsiaro fa sambatra

Miray fo sy fanahy

Dia ho tokantrano voatahy



Mpivady mitambatra

Mahatsiaro fa sambatra

Miray fo sy fanahy

Dia ho tokantrano voatahy

Oh...

Partager mariazy

Commenter mariazy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe SITRAKA