4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay toerana - Sissie

Sendra nandalo aho

Indray hariva (ouh)

Ilay toerana falehantsika roa

fony mbola niaraka isika

toa lasa embona avokoa izao  ny aty

Asa ianao raha mba mahatsiaro. ouh!

Na dia iray minitra monja ilay fitia

niredareda tato am-poko

nandritra ny fiarahantsika taloha.

Saingy lasa nofinofy sisa ireny

tena mamiko

Nefa indrisy fa tsy mba

naharitra ela ,ilay fitiavantsila.



REF: Toa tadidiko ianao ilay

nisangisangy ahy

Tsy mety afaka ato an-tsaiko ireo

niabahana natao

Mitamberina avokoa,

rehefa ianao tsy eo intsony

Tsara loatra ireny

mitoetra fahatsiarovana amiko.



Nitoetra teo aho lasa saina

Naminavina hoe mba iza indray izao

no mba nisolo toerana ahy (ouh)

Efa sambatra tokoa ve any ianao

Angamba tsy ho anjaratsika

ny hiarak’ety foana

Tsy misy tsiny

Nefa izao aza hadinonao vetivety

NY ANARAKO.

REF.............

Partager ilay toerana

Commenter ilay toerana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sissie