4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Angamba - Salomon

Angamba ifaliako ny volana mitranga

An’habakaba-manga

Kanefa mbola tiako ny masonao mijery

Mibanjina ahy irery



Milaza ny fitia (2)

Nanganohano ery (2)



  Angamba hafakely ny tsiron-drano an’ala

  Madio mangalahala

  Fa mamy toa tantely

  Ireo molotra manify, mitsiky menafify



   Manoroka ahy mangina (2)

   Mandroatra fifaliana (2)



    Angamba koa ho fatratra, ny kalon’ny antsiva

    Manako takariva

    Fa mbola tonga lafatra, ny hira nangononina

    Nihanta fisamonina



     Mitohoka ny sofiko (2)

     Ka zary nofinofiko (2)



      Izao tontolo izao, mirindra sy voalanto

      Fatratra sy kanto

      Anefa raha ianao

      Monja no tsy ao



       Izao tontolo izao no tsoriko ry aina (2)

       Fa tany karankaina (2)









Feony: Ramaroson Wilson

Mihira: Salomon sy Olga

Partager angamba

Commenter angamba

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon