4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy sahiko - Salomon

Tsy sahiko ny hilaza izay kasaiko

Manjary ny miteny aza toa tsy haiko

Rehefa tafaraka mitokana eny isika

Misalasala aho, finaritra mijery anao sariaka.

Manahy aho sao lasa vazivazy

Izay teny ataoko ka manjary ho simba ho azy

Dia fihiniko ny faniriana

Hiaretako, hiafiko mangina.  



Hitanao anefa fa tsy miery

Ny masoko mijery

Mifanena tsy nahy amin’ny anao izay hitako

Mandinika ahy.

Fantatro, fantatro fa tia ahy hianao

Fantatrao, fantatrao fa tiako hianao.





   .Tonony sy feony : Naly Rakotofiringa

   .Mpihira : Salomon

   .Mpandrindra : Hary - Bessa - Hery - KirY    



http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Partager tsy sahiko

Commenter tsy sahiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon