4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy iniana - Salomon

Tsy iniana akory sanatria

Ny hahatsiaro ny ao am-badika ao,

Ny tantaram-piainana taloha.

Tsy iniana koa ny hampanonja

Ny tadidy ao an-tsaina ao,

Ka handreraka ny fo.



Niezaka ianao ny hanadino ny andro lasa

Ny ora izay tsaroana fa mangidy

Niezaka ianao hikosoka ary hamafa,

Nefa izay tsy nety indrindra, no vao maika koa

tadidy



Hany fiononana ao an-tsaina

Dia ilay fitia tsy mety rava,

Fa nijoro mafy tsy nikoa

Io no hery entina handresy sento,

Sady koa mba hampisava

Zany rahona ao am-po.



Raha nisy nahasorena, ‘zany akom-pahatsiarovana,

Atanjaho ‘zany saina, aza avela ho torovana,

Ny ampitso andrandraina, mba hitondra hafaliana.

Partager tsy iniana

Commenter tsy iniana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon