4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny maraina - Salomon

Zava-baovao no entin’ny maraina

mifoha indray ny tontolo fa mbola velon’aina

Maro no efa lasa nanalavitra ny akany

Satria tsy maintsy miasa raha mbola eto an-tany



Zovy moa ianao no tsy hifoha maraina

Handramo kely ange ny mitsangana malaina

Ny ambany ny mafy, manàna herin-tsaina

Fitsanganana avy hatrany no finiavana ilaina



Indro ny hazavana avy any an-danitra mirotsaka

Tapitra ny aizina, ny masoandro vao miposaka

Hita miramirana rehefa mety ho zava-boahary

toy ny avy nolokoina, na nadika tami-sary



Amin’io fotoana io ny fanahy sy ny saina

Dia miadana finaritra mahatsiaro fa miaina

Aina saro-bidy loatra tsy novidiana fa nomena

Tsy zaraina amin’ny hafa fa natokana ho an’ny tena ...

Partager ny maraina

Commenter ny maraina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon