4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hirantsika - Salomon

Tiako koa raha tiako

Faniriako

Ny hiara-hikalo aminao

Kanjo tanteraka izy izao



Be ireo hirako efa vita

Nataoko ireny mba ho hita

Fa manan-javatra ho lazaina

Ny fo, fanahy sy ny saina



Anefa tsy ampy ’zay vita izay

Raha tsy misy koa izay hira iray

Hiarahan’ny feonao sy ny feoko

Ka ity no hira mahafapo izay omeko



’Zay tsy sahiko tenenina

Anefa tsy azoko hafenina

Dia tiako mba hialana nenina

Atao an-kira hiverimberina



       . tonony sy feony : Jeanne sy Naly Rakotofiringa

       . mpihira ankehitriny : Salomon sy Olga

       . mpandrindra ny zavamaneno : Hary - Bessa - Hery

       . mpandrindra ny feo : Kiry



http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Partager ny hirantsika

Commenter ny hirantsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon