4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny famataranandrontsika - Salomon

Ora fahafiry izao no mientana ny foko

Ka manembona sy manina

Ny maraina efa tonga, ny fitiavako misoko

Hendratra aho ka fanimpanina

Hono ho aho ry tsinjoko iny, sy nandalo moramora

Amin’ny endrika sariaka

Manontany anao ny foko, tsy mitovy re ny ora

Oram-pamataranandrontsika  

Ora fahafiry izao no maloka ’ty andro

Folapolaka ny heriny

Dila teto ilay fitia, takona ny masoandro

Ny foko maloka ny jeriny

Hono ho aho r’ilay nandalo sy nantsoiko ho sombinaina

Ny lasa ve no niova dika

Manontany anao ny foko, tsy mitovy ve ny ora

Oram-pamataranandrontsika  

Njao misandratra ny andro, mibaliaka sady mirana

Eny an-dalana diaviko

Mitady sandry ifandraisana itony tenako sahirana

Ary olona tiaviko

Hono ho’aho ry olon’iny izay nandalo moramora

Tsara endrika sy bika

Manontany anao ny foko, sao mitovy lahy ny ora

Oram-pamataranandrontsika.



Mpamorona : Rado / Ramaroson Wilson



http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Partager ny famataranandrontsika

Commenter ny famataranandrontsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon