4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nitady anao - Salomon

Nitady anao aho

Nitady hatraiza hatraiza

Nijerijery teny ho eny

Nankaiza hianao nankaiza

Ny toerana faleha

Novonjeko noseranina

Tsy teny anefa hianao

Tsy hita notazanina



’Reo havako sy namako

Dia saiky nohafarako

Fa sao mahita anao

Mba hitonona ny anarako

Kanefa aho tsy sahy

Sao ny hetaheta anatiko

No anesoina ahy

Ka zavatra tsy tantiko



    Nitady anao aho

    Nitady hatraiza hatraiza

    Nijerijery teny ho eny

    Nankaiza hianao nankaiza



Nitady anao aho

Ary mbola hitady ihany

Na dia efa tsy nahita

Mbola hitady hatrany hatrany

Satria, satria ny fahoriako

Dia miangavy mba hahita

Na ny sary zavozavo

Misy endrika tsy hita



    . Tonony   : EmeraldA

    . Feony    : Ramaroson Wilson

    . Mpihira  : Salomon

    . Mpandrindra : Hary - Bessa - Hery - Kiry



http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Partager nitady anao

Commenter nitady anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon