4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mavo masoandro - Salomon

Ny mavo masoandro mitazana ambony

Ny mena fitiavana mirehitra anaty

Ho marik’ilay ao am-po, ao am-po tsy mitony

Avelao izy haniry, aza avela ho faty



Ny ilan’ny rano haniriam-bolotara

Mba jerijereo, aza avela ho maina

Fa ireo dinantsika efa zary  tantara

Voarakitr’ireo, dia ireo manan-tsaina



Ny fasako ataovy eo andrefan-tanàna

Ataovy mikasika ny ilan-kamory

Ka soraty amin’ny vato ilay fanantenana

Tsy maty izy akory fa mbola matory

Partager mavo masoandro

Commenter mavo masoandro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon