4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hatraiza ? - Salomon

Hatraiza ny fetran’ny antemam-pitiavana

’Zay vao noborahin’ny vava omaly

Hatraiza ny halàlin’ny ngidim-pandavana

Toa manana dindona, sento sy jaly



Hatraiza ny fetran’ny hiran’ny fo

Niarahana nikalo tan-dàlan-kombana

Ireo ’zay nokasaina, tsy vita tsy to

Hatraiza ny fetran’ny fahabangàna



Hatraiza ny fetran’ny rotsim-panahy

Hoe mba hiritsoka mandrakizay

Hatraiza ny fetran’ny fo mahatsiahy

No sento no injao miolomay



Hatraiza ny fetran’ny fiainana an-tany

’Zay fitaka toa mampijaly

Hatraiza ny fetra ny fo mitomany

Ry fanantenana o ! aza ela famaly

Partager hatraiza ?

Commenter hatraiza ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon