4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hary elatra - Salomon

Hary elatra hianao

Ka handao

Hanaraka ilay nofinidy

Tena sarobidy

Tsy iza izany fa ilay vady tiana

Ilay nofinofy kanjo tanteraka ankehitriny



Hary elatra hianao

Hisidina ambony

Hisakambina, hifampitantana amin’ilay tiana

Paradisa ny tany hoy ny saina

Marina izany kanefa koa ndeha holazaina



Maro no mitady hamingana

Mitady handrava ny fanambadiana

Maro ny fakam-panahy nisarika

Hanatona an-drafahoriana

Eo indrindra no ilAna

Hifandaozana an-drafahazazana

Saina matotra sy tony

Fo natolotra ny fony

Olon-droa efa iray mandrakizay



N’inona misakan-dalana

Mitady handrava ka hamaha ’lay tady

Ampiasao ny fitiavana

Sy ny fifampahatokisan’ny mpivady

Tandremonao ny sotasota

Tezera anefa aza manota

Raha sendra resy izy ampio

Tsarovy f’io fitiavana io

Dia mandra-maty ny voadinareo mivady





   . Tonony sy feony : Naly Rakotofiringa

   . Mpihira : Salomon (i Ludger koa taloha)

   . Mpandrindra : Hary - Bessa - Hery - Kiry





http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Partager hary elatra

Commenter hary elatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon