4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aleoko ihany - Salomon

Raha volana an-tsasany monja

Naleoko miravaka kintana

Fa fitia fenofeno mafonja

No iriko aterin’ny vintana



Raha rano natao an-karafa

Naleoko ny ankararAna

Fa fitia tsy zaraina amin’ny hafa

No satriko hiantahantana



Raha amparasily manify

Naleoko ny soga voloina

Fa fitiavana izay mifanandrify

Io no tiako mba tiako ho baboina



Raha bingona hanaitra ny lolo

Naleoko Valiha torifolo

Fa na maty dimy aza ireny

Dia miritsoka sady miteny



   . Feony : Ramaroson Wilson

   . Tonony : Mercure

   . Mpandrindra : Hary - Bessa - Hery - Kiry





http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Partager aleoko ihany

Commenter aleoko ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon