4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lay zazavavy tiako - Sakays

LOHATENY:lay zazavavy tiako





Ianao lay zazavavy , lay zazavavy tiako

Tokana an-tany  tena mba niriko

Nefa indrisy  ankehitrin’zao

Antsandrin’olokafa no tazako ianao

        Toa tsy tsampanao mihitsy ny fitiavako anao

        Na dia mba nataoko izay azoko atao

         Fanagarihana hatrany no mba setrin’izany

        Angamba kosa tsy rariny ihany

          

             refrin: Indrisy ry zazavavy e!

                      Tena tiako ianao ô!

                      Mila halasa  adala ahy      

                      Nefa tsy misy ny azoko atao

Indrisy tokoa mantsy, indrisy ankehitriny

Fa eny antsandrin’olokafa lay malalako iny

Ataoko ahoana moa raha izay no sitrakao

Ka nefa mba tsarovy izao teniko izao

Io fitivana io dia toy ny afo na kitay

Ka izay milalao azy ihany no tsy maintsy ho may

Zany kôzy izany tsy midika hoe kafara

Fa mba tiako  hatonga saina anao ry malala

            Mba nisy ihany ireo natenaiko

            Nefa ianao  no tena tao an-tsaiko

            Toa zary nofy ihany izany rehetra izany

            Raha eritreretina toa mampitomany

                     Na dia mavesatra aza izany rehetra izany

                     Tsy maninona akory fa mety ho zakako ihany

                     Nefa tsarovy fa any aoriana      

                     Lay porofo mpitia tsy mety mangina

Ianao lay tovovavy, tovovavy iray

No kasaiko ho tiavina  mandrakizay

Kanefa soa ihany aho fa mbola tsy nijabaka

Fa ny fitia natolotrao ,dia fandrika sy lavaka

Ka nefa na dia izany aza vononona aho hiafy

Ianao aza sahy nahavita nampirafy

Nefa izao! no tadidio

Tsy maintsy misy todiny io fitiavana io

                       Tsy ho ela intsony misy olona iray

                       Hasoloko anao, ho mandrakizay

                       Tapitra hatreo ny, fitiavako anao

                      Mitsodrano anao, tiavo ny anao

Partager lay zazavavy tiako

Commenter lay zazavavy tiako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sakays