4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soloy fitia - Mahaleo

SOLOY FITIA

Izay tsy manana olo-tsy tiana
tsy mila ady, tsy mirongo fiadiana

Satria ny fitia no mameno ny tanana
ho afafy ho an'izay tsy manana

fitia ihany koa no hanoherana ny mpakahala
hasetry izay tsy mahalala

Koa aza mihizihizy,
manana fon'ankizy,
mahaiza mitia!

Ny fitia anie ka efa ao nanaty
nefa koloy mba tsy ho faty

Satria izy, mila hafanana
ny fonao vohay hidanana

Izy koa mety ho lasa lomorina
raha toa ny afony ratsy sorona

Ireo basy sy tafondro,
Tsetseno hangina!

Hialao, hadinoy ny habibina
hialao ireo ratsy nitafiana
soloy fitia!

Ny fitia anie ka mety mitombo,
Azo rangitina raha mila ho dombo

Satria izy no solon'ny tady
Raha sanatria ka latsaka an-kady

Izy koa no any azo amaharana
raha mitady hoa rendrika ny hasambarana

Ny tabataban'ny basy
Hanjary ho vazo!

Ny bala ho lasa vonikazo
ny tsy nitovy,hifankahazo

satria! hifankatia!!

Partager soloy fitia

Commenter soloy fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite