4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sao dia - Mahaleo

Sao dia aton’ialahy hoe
Manadino letsy aho an (2)

Tsia letsy an (2)
Tsy maintsy mody ihany letsy aho an

Sao dia aton’ialahy hoe
Mirediredy letsy aho an (2)

Tsia letsy an (2)
Mbola tsy bedy letsy aho an

Ny fiainana hono letsy
Tsy vita mora
Raha vao solafaka eo ialahy
Be ny mpanakora
Fa ny mora kivy
No tsy atao
Fa ao ambadika ao
Ny anjaranao

Sao dia aton’ialahy hoe
Mamolava letsy aho an (2)

Tsia letsy an (2)
Mba misotrosotro letsy aho an

Sao dia aton’ialahy hoe
Katry lava letsy aho an (2)

Tsia letsy an (2)
Mba malahelo letsy aho an

Ny fiainana hono letsy
Tsy vita mora
Raha vao solafaka eo ialahy
Be ny mpanakora
Fa ny mora kivy
No tsy atao
Fa ao ambadika ao
Ny anjaranao

Sao dia aton’ialahy hoe
Mihanika azo letsy aho an(2)

Tsia lesy an (2)
Mamboly voninkazo letsy aho an

Partager sao dia

Commenter sao dia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite