4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy tia - Eric Tahina

efa fantatro hatry ny ela ao antiko ao

fa misy fitiavana ho anao

notehiriko irery tsy naposako mihitsy

sao tsy ho tia anao



fa lasalasa avy eo imolotro niteny tampoka ao

hoe "tiako ianao"

ka menatra sy niodrika, nivoaka moramora

lasa aho tsy hitanao



avy eo vao tonga saina

ahy moa isika efa mpinamana hatry ny taloha

ary efa fantatro avokoa ireo toetra ratsy

izay fanaonao tamiko



anio aho efa matotra sy hendry ka te hahalalanao be be kokoa

tsy mionona ho namana fa te hahita anao @ lafiny roa



raha toa ka sitrakao

handeha ho andramatsika

ny mba hiara dia aloha.

angamba aoriana mba hiteny moramora amiko ianao hoe

Tia ahy koa....

Partager samy tia

Commenter samy tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Eric Tahina

Suite