4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Salamo fideràna - Les Serviteurs et Messagers du Seigneur(SMS)

Miderà an'i Jehovah amin'ny aponga tapaka
Tsofy koa ny anjomara hiantsa Ilay Mpanavotra
Mihoby sy mihira raha olo-marina ianareo
Ny valiha tory folo lokanga maro indray tendreo


Ref: Mpanjaka Izy e!Azy ny dera (x3)
Omaly sy anio ary ho mandrakizay e!
Asandrato ny feonao,mitehafa ny tananao
derao e,ny Tomponao
dia ampiasao izay anananao


Miderà an'i Jehovah amin'ny hirahira sy ny dihy
Ny ao am-ponao mifalia fa aza mihatsara ivelatsihy
Na dia ory aza ianao Fihiram-baovao ventesina
Izay rehetra mendrika dia ataovy ho fisaorana


Ny lelanao ny tananào ny tongotrao re ampiasao
Mitsangàna mandihiza e!mitehafa tanàna
Mifalia mandrakariva,eny mifalia ao aminy
fa izay no sitrapony isaoranao ny asany

Partager salamo fideràna

Commenter salamo fideràna

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les Serviteurs et Messagers du Seigneur(SMS)