4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Saino ihany - Art'music

herin-taona niarahana tena nifankatia
nifanome toky fa hoe ho mandrakizay doria
kanefa toa nivadika ho mpihindrana ihany aho
fa rehefa tonga ny tompom-pitia de ho lasany ianao

tato ho ato izay ianao toa niova tsy toy ny taloha
fa mihafahafa sy tsy de mivaky loha
raha ny endrikao ivelany manambara zavatra
eny ny fihetsikao aza tsy misy fitiavana

ref: mba saino ihany anefa
ity foko mba niantefa
niantsampy teny an-tsandrinao
fa sao de lasan'ny hafa
'zay vao hoe an-datsa-paka
ny nenina tsy aloha fa aoriana an-datsa

eny izaho tsy ankahala anao na hiantso tody koa
fa mitso-drano aza aho "mahità ny soa"
ka aza misalasala intsony fa tonga de lazao
aza mihatsara ivelatsihy fa ny am-ponao ambarao

nefa mba saino ihany aloha ireo lasa hatramizay
ndrao de voadonam-pitia vao hiverina indray
marina aho fa efa tia ka tsy an-datsa an-dry
fa ny hiverina iombom-pitia de ho ataoko sanatria.

Partager saino ihany

Commenter saino ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Art'music