4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Saingy tiana - Mahaleo

Mangitakitaka, mitebiteby
Mibitabitaka, somebiseby ny foko
Rehefa eo anilanao

Ireo andro niarahana toa fohy dia fohy
Tiako hitarina sy tiako hitohy kanefa
Ianao indray no tsy sahy

             Tiana ve, diso tiana
             Ka mampitondra fahoriana
             Mamo ve, diso mamo
             Andraso kely anie aho raha toa ianao ka kamo

             Tiana ve, diso tiana
             Ka mampitondra fahoriana
             Mamo ve, diso mamo
             Andraso kely anie aho raha toa ianao ka kamo

Tsy andriko intsony ny andro hiverenako
Hahitako ny fony ary hitenenako ireo teny
Izay nomaniko ho andry

Tsy mahatokona aho, tsy mahasaraka
Efa niombona, efa niaraka isika e
Izay vao nifankatia

             Foiko ho anao ts’isy fetra
             Ny fitiavako rehetra
             Omeko anao raha sitrakao
             Ireo nofinofy matory ao anatiko ao

             Foiko ho anao ts’isy fetra
             Ny fitiavako rehetra
             Omeko anao raha sitrakao
             Ireo nofinofy matory ao anatiko ao

Partager saingy tiana

Commenter saingy tiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite