4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Safidy adala - R CLE

SAFIDY ADALA – R CLE



Refrain

’Zao ve ny safidinao – migoka

’Zao ve ny safidinao – mifoka

’Zao ve ny safidinao – miloka

Ny revy tsy lany fa sao – sodoka

Safidy gaigy safidy adala

Ary safidy ratsy fa tsa mba tsara !

Safidy adala a  tena safidy adala be



Mpifankatia misary gaigy

Mpifankatia misary adala

Fa izy amin’ny samy tsy te hahalala

Ny longueur d’onde mitovy tsara

Samy mingitrika fa tsy mianatra

Dia manao la vie amin’ny ecolage

Manao cinéma eran’ny lalana

Mifandany zara fa tsy mpivady e

Safidy adala a tena safidy adala be



Mpanankarena misary gaigy

Mpanankarena misary adala

Fa izy mivady tsy te-hahalala

Ny longueur d’onde mitovy tsara

Samy mandeha amin’izay iriny

Dia samy mitondra ny olon-tiany

Ingahy be sola amin’ny sipakely

I Neny be sola amin’ny bandikely e

Safidy adala a tena safidy adala be



Ny lehilahy tia misary gaigy

Ny vehivavy misary adala

Fa kala sy bandy tsy te hahalala

Ny longueur d’onde mitovy tsara

Miaraka ireo dia mitety bar

Miaraka ireo dia mitety boaty

Miaraka ireo dia mifoka môly

Miaraka ireo dia misotro toaka ay

Safidy adala a tena safidy adala be



Ny lehilahy tia misary gaigy

Ny vehivavy misary adala

Fa kala sy bandy ratsy fiafara

Tsy matory an-trano fa anaty ala

Vita hatreo ny maha-olona

Vita hatreo ny hatanorana

Fa nisafidy ny adalana

Any Anjanamasinina no tanàna a



Veloma lava fa ny safidy adala

Veloma lava e fa ny safidy gaigy be

Veloma lava veloma ry hatanorana

Veloma lava izao no vokatry ny adalana





Aza miadaladala – safidy adala

Fa ratsy fiafara – safidy adala

Mba hendre ihany – safidy adala

Fa ny revy tsy lany e – safidy adala



Akorain’olo ô – ai oo

Dia ihomehezan’olo o

Akorain’olona ianao

Dia ihomehezan’olo o



Tanora ratsy fiary – safidy adala

Antitra vao ratsy laoka – safidy adala

Tsy mba nitampify tsara – safidy adala

Hany ka ratsy fiafara – safidy adala

Akorain’olo o

Dia iomehezan’olo

Akorain’olo o

Dia iomehezan’olo



Ny migogoka – safidy adala

Ny mifofoka – safidy adala

Ny milokaloka – safidy adala

Ny miadaladala – safidy adala

Ny miadaladala – safidy adala



Tanora ratsy fihary

Antitra mampidy kary

Tanora ratsy fihary

Antitra mala kitay

Ny miadaladala

Dia ratsy fiafara

Ny miadaladala

Dia ratsy fiafara



MERCI DAHOLO HO AN’IREO NISERASERA TAO AMIN’NY FORUM

Partager safidy adala

Commenter safidy adala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe R CLE