4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Safidy - Mahaleo



Inona no hanjo a,

Raha tojo ny mafy na nambinin-java-tsoa,

Na faly na maloka ny fo...,

Ianao tsy lavitra fa teo anilako



Ny masonao no ahitako,

Ny tanana, ny lala-nolalovako

Izay lalanao dia hozakaiko

Izay mihatra aminao dia mihatra @ aiko...





Réf:



Izany ’akia no Fitia,

Fitia tena fitia,

’Iray ihany, iray safidy

Izany ’akia no fitia,

Izay tiako no tian-dry,

Mizara ny mamy, mangidy,

Voatsongo ianao,

Izaho no marary...

Osa anao , izaho no tsizarizary,

Sanatria tsy hifanary...

Toa rano sy vary...







Izay teninao no holalaiko

Izay sitrakao no mameno ny saiko

Izay  babinao no hozakaiko

Izay mihatra aminao dia miantraika @ aiko..



Tanan-kavia sy havanana,

Na mora na sarotra,iaraha-manana..

Ny mafy ifanohanana...

Na mora na sarotra iaraha -iondanana...



Réf:..

Partager safidy

Commenter safidy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite