4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola misy ny ho avy - Rotsi

Ianao ilay olon-tiako ka tsy ho ariako
Tena tiako ka tsy foiko
Tsy ahita toa anao intsony aho
Ka aza avela re raha mba mitalaho

Nefa dia nozarainao roa ny lalana
Nofarananao hatreo ny fiarahana
Toa tsy hitako izay aleha
Ho aiza aho izany? Mba valio re

Ref: Iza re no nahalala
Farany ange ilay hafaliana
Nefa mino ihany koa aho
Fa mbola hisy farany ny fahoriako
Tsy ho foana ny fanatenako
Raha mbola misy ny ho avy

Dia nafoinao tanteraka ve
Ireo mamy rehetra nifampizarana?
Asa raha mba tsapanao re
Fa misy olona mijaly any, diso fanantenana

Ref

Partager mbola misy ny ho avy

Commenter mbola misy ny ho avy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rotsi