4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny saiko - Rixah ft Alson

NY SAIKO

Mbola manontany tena izaho
Hoe ianao izao no tia ahy
Raha ny fanenjehako anao io foana
Sy ny lalana ny zoranao, izaho nanambitamby anao ireny
Nefa tsy no henoinao, taty aoriana indray dia…
Nanoratra ho ahy ianao…

Ny saiko anie tsy mino izao
Hoe ianao no tia indray
Ianao ilay niseho niavona, tsy mba nihaino ilay teny iray
Noho ny taty aoriana ianao no niantso ahy
Omeko anao ilay fasambarana
Izay hitoetra foana ho ratrizay…

Mbola lasa ihany ny saiko
Mandinika ireo izay natao
Toa nofy anie izao, vao tsapako fa teo anilako ianao
Ay ve mba nisy fo nitempo ahy, tao anatinao
Ny foko anefa feno dia feno ka ho zaraiko
Ireo tsy ambaratelo….

Ny saiko anie tsy mino izao
Hoe ianao no tia indray
Ianao ilay niseho niavona, tsy mba nihaino ilay teny iray
Noho ny taty aoriana ianao no niantso ahy
Omeko anao ilay fasambarana
Izay hitoetra foana ho ratrizay…

Raha ny androany, izao vao fantatro
F’ianao no natokana ho ahy
Nivaha indray ny olana
Hafaliana tsy hombi-tratra
Nivaha anio ny olana ao an-tsaiko ireny
Izay nahazo ahy atrizay
Izay nambabo ny fo sy fanahy
Satria ianao no natokana ho ahy…


Ny saiko anie tsy mino izao
Hoe ianao no tia indray
Ianao ilay niseho niavona, tsy mba nihaino ilay teny iray
Noho ny taty aoriana ianao no niantso ahy
Omeko anao ilay fasambarana
Izay hitoetra foana ho ratrizay…

Partager ny saiko

Commenter ny saiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rixah ft Alson