4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia somongamonga - Remi

1-)

Androany ny fotoana nomeko anao

Hilazako ny momba ahy

Ny saiko efa vonona hanambara an’izany

Fa ny vavako no mbola tsy sahy

Matahotra aho mantsy fa sao dia hanenenako

Ny hilazako ny amiko aminao

Kanefa tapakevitra aho fa androany ihany

Dia efa vonona hilaza an’izany



Tsoriko aminao aloha fa sangy fotsiny ihany

Ny nanolorako fitia taminao

Hay noraisinao ho tena izy ilay sangiko iny

Ka mifankatia isika hatramin’izao

Lazaiko marina aminao anefa

F’efa nisy olon-kafa notiaviko talohanao

Ka dia tsaratsara angaha raha dia faranana amin’izay

Ilay fitiavana nataoko kilalao

Ref:

Dia ny hirahirako no hirao

Rana manembonembona hianao

F’ilay fitiavako avelao

Fa fitia saika hamitaka anao

Dia ny hirahirako no henoy

Raha mahatsiarotsiaro hianao

F’ilay fitiavako hadinoy

Fa mety tsy hahasambatra anao



2-)

Hianao aloha dia olona tena tiako tokoa

Olon-tiako tena tiako tokoa

Saingy ilay talohanao tsy maintsy tiako kokoa

Satria izy no efa tiako taloha

Izany akory tsy hanambany ilay fitiavantsika roa

Vao nitsiry dia tonga dia namelana

Fitia saforonina kanefa tsy hay tohizana

Sao dia tratran’ilay tena tompon-toerana



Omaly alina tontolo aho tsy nahita tory

Nieritreritra ny tokony hatao

Hotohizako ve sa hofaranako amin’izay

Ilay fangalarako fitia taminao

Ka navesatra hoatr’izany ny adin-tsaiko iny alina iny

Dia niteraka alahelo tena mafy

Aleo faranana am’izay ilay fitiavantsika roa

Fa raha tohizana manjary mampirafy



Ref: ...



3-)

Amiko aloha raha mbola mampirafy roa

Na miampy iray aza mbola antonony

Saingy ny ao amin’ny baiboly no manakana an’izany

Sady olana amin’ny fiaraha-monina

Nanenenako lahy ny nanolotra fitia

Tsy tena izy fa fitia somongamonga

Dia tsy nampoizina fa sendra nifanena

Vao nantsoiko dia avy koa dia tonga



K’angamba hianao tsy hanome tsiny ny am’izany

Na hiantso tody hiantso todim-pitia

Satria fitia tsy raikitra tsy haharatsy fihavanana

Ary tokony tsy hatao hankahia

Ka dia teny kely tsotra ihany no holazaiko

Avy eo dia hofaranana ny dia

Efa nisy olon-tiako talohakelinao

Ka any an-kafa re manorina fitia



Ref: ...


Partager fitia somongamonga

Commenter fitia somongamonga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Remi