4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny maraina vaovao - Redona

Antenao fa mbola hisy ny maraina vaovao

Hanonerana ny lasa izay nalaina taminao

Voa nafafy ny fahiny mendrika ny ho tsarovana

Manan’aina izay hitsiry ka tsy ho resim-pahalovana



           Raha ririnina ny andro dia mihitsana ny ravina

           Zary resy ny tontolo maizin-dalàna ho diavina

           Nefa ao ny lohan-taona izay handimby sy hisolo

           Hapitrebona indray ireo voary niongo-bolo



Raha midify ny masoandro ka mikitroka ny haizina

Dia ekeo am-pahendrena fa anjara tsy azo lavina

Hitoriana fahosana ny mandefa fitarainana

Fa mizàna tsy mandainga ny mitondra ny fiainana



             Moa ny alokin’ny lasa nobanjininao maharitra?

             Moa ny taratrin’ny ho avy tsy mba hitanao mamaritra

             Mahina aho satria nahoana? ndrao variana loatra ianao!

             Ka ho dison’ny haizina ilay maraina vaovao!



Jashine (Redona) concept 2007

Partager ny maraina vaovao

Commenter ny maraina vaovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Redona