4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana lalina - Rebely

[Verse1- Zouzou]

Rebely koffa henjana tsy azo takarina

Vao mifoha maraina aho dia ianao ato an-dohako tsy azo fantarina

Mivoaka ny trano, tsy miverina raha tsy mody ny masoandro

Tsy mitombona ny eritreritro raha toa ka tsy eo ianao isan’andro

Fitiavana natomboka fa tsy mety hifarana

Fiarahantsika mafana satria mbola ho lava ny lalana

Ao ny mpanenjika fa ny fahafatesana no sampana hisarahana

Fotoana lava ny antsika ka mbola vinavina ny hiarahana

Fitiavantsika ho lava ary ny faniriko ho azo itarina

Tsy atao lalana isarahana na de ny andro aza alina

satria ny foko mitempo any @ nao, ka zao mba manina

ka ty le vazo no apetrako, ilay fitiavana misy lanja tsy mety hivarina

hitoetra ao am-po mandrakariva

le fitiavana mandrakizay tsy ho rava, tsy ho simba

Resaka tena izy zay ry joba fa tsy lainga

Ka mba antsovy le kof boy fa aza avela maina



(Verse2- SkaylaH)

raha tsy teto ianao dia tsy nisy dikany  ny fiainana

rehefa tsy mahita anao dia lasa foana ilay fisainana

iza no nahafantatra hoe hiaraka ihany isika roa

efa samy tia, samy tsy nisy nanampo

omeko anao daholo izay rehetra ato anatiko

ary aza matahotra fa ho tia anao foana aho mandra-pahafatiko

fitiavana lalina, mandrakizay tsy ho lany

raha atambatra ’lay fitiavana de handrakotra ny tany

n’aiza n’aiza aleha, erak’izao tontolo izao

teto amin ny fiainako aho tsy mbola nahita joba ohatra anao

tsy ny bika ihany fa ’lay fomba am-pisainana

refa tsy eo ianao tsy misy hitarainana

ny manodidina hanakiana, tsy asiana sira

ny fitiavako ngeza  loatra  tsy voalazako an-kira

Ny fontsika roa, lasa hitempo anakiray

raha ny faniriako dia ho eo anilako ianao mandrakizay





[Verse 3- SlimTa]

’Zaho mbola tsy nahita joba tsara noho ianao

Joba reveko amin’ny foko fa tsy kilalao

Vao mifoha aho de ny endrikao no hitako

ianao ilay tokana mampiakatra ny inspirako

isaorako ny ao ambony fa ianao ilay voafidy

ilay tokana ao anatiko tsy nisy nandidy

Sarobidy anatin ny foko ilay fitiavako tsy azoko amidy

Fitiavanao mamiratra ato anatiko tsy mety ho maty

fa raha tsy eo ianao de ny alaheloko mibahana amin’ny fo tsy tanty

ity natokana ho anao, ’lay fitiavana tsy voalaza anaty rapy

vao tsy eo anilako ianao de lasa mitapy

tsy ’lay bika na tarehy fa tonga dia ilay fomba fisainana

mitondra fifaliana tsy mila isainana

raisiko mora zany fa tsy mila atao faingana

ka raisintsika kely amin’ilay fitia mitailana

satria kopy fa ianao sarobidy kokoa nohon’ny rivotra iainana



(Verse 4- K-Mulah )

2 taona ’zay ny lasa, alahelo ato am-poko tsy ho azoko afenina

Ilay sarika hita soratra eny amin’ny tavanao tsisy ratra tsisy nenina

Ny hafatra ho tsiambaratelo voasoratra amin’ny penina

Mifoha maraina ’zah de any aminao ny saiko

Mivezivezy ny aingam-panahy, tsy mandry ny aiko

Dia mbola ny fitiavana ve? inona ny antony, tsy haiko

Na eto an-tany aza ny fiainana feno fingana

eritreritra, ditra tsy misy fiovana

Za ho eny amin’ny lalana maro-drefy ady mizana

lanjam-piainako tsy mitongilana, ny ady tsy azo ialana

Ianao ilay mazava diamondra mibalika

Indraindray mampanotany tena hoe inona ny antony nisarahantsika

Tsy takatry ny saina, ny valiny tsy mety ho hita

fa ndray andro any hiverina ianao, isika hiaraka

hanohy ilay fitiavana, ka mandrakizay isika tsy mety hisaraka.



(Verse 5- Davla )

Ianao ilay masoandro manazava ny fiainako lalandava

Fitiavanantsika roa mafy toy ny vato tsy mety ho rava

Tsy ho voalazako am-bava, fa efa kopy ianao fa ianao no fiainako manontolo

Ilay tokana ato am-poko tsy mety voasolo

Isanandro mifoha maraina de ny sarinao no hitako

Miaraka amin’ny fitiavanao eto anilako, tsy misy izay tsy vitako

’Zah akory tsy pact ah, tsy manana fiara na 1 milliard

Ny azoko omena anao dia fitiavana madio avy aty amin’ny ’lay zanaky ny beara

’Zah eo anilanao iannao, eo anilako, ’zah manao ’zay sitrakao, ianao manao ’zay sitrako

Ny foko ho feno fifaliana foana, na hafana ny andro na hangatsiaka

Mandrakizay ny afon’ny fitiavanao ato am-poko tsy hipika

Mampivika, vao mijery ny tarehinao aho tonga dia miodina ny tany

Ny ho avy no hatrehina ’zay lasa aleo ho any aoriana any

Na dia ho faty rahampitso aza ny masoandro ’zah sy ianao hitohy hatrany

Tsiky foana fa ts’isy tomany

Partager fitiavana lalina

Commenter fitiavana lalina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebely