4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vola - Razilina

Ny vola re ny vola no irin-tsy maha-tola

Vola no lalaina ankafizin’ olo-miaina

Tanora tena soa, ireo ray sy reny koa

Raha tojo anaram-bola dia tsy mamolavola



Ny hatsarahan-tarehy ataony indray mamely

Ny toe-panahy kanto ataony indray voaranto

Fa rano feno mamba ataony am-pita jamba

Ka eny no midola ambony hono ravola



Vola o , vola, vola ihany

No mbola himatesana eto an-tany

Vola o , vola, vola koa

Ho an’ ny ratsy sy ny soa.

Partager vola

Commenter vola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Razilina